Actualités

Fahaleovantenan’ny mpitsara : Niainan’ny mpitsara ny filankevitra miandraikitra ny éthique sy déontologie


  • Zoma 05 Martsa 2010

Namory ireo mpitsara eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy fitsarana ambony ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny MEDEM na ny Mouvement pour l’Ethique et la Déontologie de Madagascar miaraka amin’ireo mpikambana eo anivon’ny Conseil d’Ethique et de Déontologie omaly tetsy amin’ny fitsarana Anosy.

Ny fanajana ny fahaleovantena sy ny fahalalahan’ny mpitsara moa no antony nananganana ireto rafitra 2 ireto ka dia nisy ny fihainoana sy fandraisana an-tsoratra ireo hetaheta sy karazana teritery ataon’ireo olona ambony amin’ireo mpitsara nandritra io fihaonana omaly io. Nisy  tamin’ireo olana nambara no novaliana avy hatrany saingy tsy maintsy entina hodinihana lalina eo anivon’ny filankevitra kosa ny sasany. Atolotra ny minisiteran’ny fitsarana kosa ireo fitarainana voaangona avy eo izay marihina fa tsy ahitana ny mombamomba izay nanoratra azy. «Manaja ny tsiambaratelon’ny tsirairay izahay », hoy ny filohan’ny MEDEM Andriamifidy Jean Louis. 

Marihina fa tsy azo enjehana noho ny fanehoan-keviny na fanapahan-kevitra noraisiny ireo  mpikambana eo anivon’ny conseil d’éthique et déontologie saingy raha misy tsy mety ataon’izy ireo dia ny fanapahan-kevitry ny 2/3-n’ireo mpikambana miisa 36 no ilaina vao azo esorina amin’ny toerany izy aorian’ny fanadihadiana.
 
Andry
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT