Actualités

Fahaleovantena sy fitiavan-tanindrazana Tantaraina an-tsary eny Analakely


  • Talata 23 Jona 2015

Tsy hijanona ho vakoka sy tahiry fotsiny ireo sary 400 000 ao amin’ny ANTA (Agence nationale d’Information Taratra) etsy Ambohidahy fa hampiasaina mba ho fantatr’ireo mpianatra sy ireo manao fikarohana ny tantaran’i Madagasikara. Mahakasika ny tantaram-pirenena madiodio ny 95%-n’ny sary tehirizina ao amin’ny ANTA amin’izao fotoana.

  Efa niroso amin’ny antsoina hoe « numérisation » na fampidirana ny sary ao anaty solosaina mba ho tsara kalitao sy ho mora kirakiraina kokoa ity sampandraharaha ity ka sary 20 000 amin’ny 400 000 no efa vita « numérisation » hatramin’izao. Misy moa amin’izao fotoana ny fampirantiana izay tanterahana eny Analakely manoloana ny lapan’ny tanàna momba ny tantaran’ny fahaleovantena ka hita ao ireo zava-nitranga teto amin’ny firenena, ny momba ny foloalindahy, ireo mpitondra. Resy lahatra ny mpikarakara fa afaka mamerina ny fitiavan-tanindrazana any am-pon’ny tsirairay ny fampahafantarana ny tantara. Marihina fa « fitiavan-tanindrazana sy fihavanana, antoky ny fitiavan-tanindrazana » no teny filamatra hanamarihana ny faha-55 taona niverenan’ny fahavelovantena amin’ity taona ity. Nampatsiahy ny praiminisitra Jean Ravelonarivo omaly raha nitsidika ny fampirantiana sary teny Analakely fa mendri-piderana ny tolona nataon’ireo ray aman-dreny tany aloha noho ny fitiavana ny tanindrazana.Hifarana rahampitso alarobia ity fampirantiana ity.


 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT