Tsy mihetsika eo amin’ny laharana faha-54 amin’ny 180 i Madagasikara amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety,
araka ny tatitry ny Reporters sans Frontières (RSF) ho an’ny taona 2020. Firenena Afrikanina 6 no ao alohan’I Madagasikara, ka voalohany aty Afrika i Namibie 23 laharana faha-23, Faha-25 i Cap-Vert, faha-30 i Ghana, faha-31 i Afrika Atsimo, faha-38 i Burkina Faso, faha-39 I Botswana, faha-47 i Sénégal. Mitana ny laharana voalohany i Norvège raha toa ka i Korea Avaratra no rambony. Ao anatin’ny sokajy “situation Problématique” i Madagasikara, “raha situation bonne” no ao alohan’izay, ary “situation difficile” no aoriany. Ny fanenjehana amin’ny resaka cybercriminalité no hanenjehana ny mpanao gazety aty Afrika, toy ny eto Madagasikara rehefa nampiharina nanomboka ny 2016 ny lalàna fanesorana ny famonjana, raha ny fanazavana. 117 ny mpanao gazety voasambotra taty Afrika Atsimon’i Sahara tamin’ny taona 2019. Ny fisian’ny coronavirus, dia isan’ny hanaovan’ny mpitondra Afrikanina tsindry ho an’ny asa fanaovan-gazety. Voatohintohina ny zo hahazo vaovao malalaka sy maleotena, fa indrindra ny vaovao marolafy, raha ny fanazavan’ny RSF. Hita taratra io eto Madagasikara, ary efa nanaovan’ny RSF fanamarinana ny fandrahonana haino aman-jery. Tratry ny tsimok’aretina ihany koa ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety na “Liberté de presse infectée” hoy ny kisarisarin-teny niresahana an’izay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.