Actualités

Fahalahalahan’ny asa fanaovan-gazety Mbola tandindonin-doza hatrany


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Miaro sy mikatsaka mandrakariva ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety isika, ary ny lohahevitra tamin’ity dia ny hoe:

 

 

 

 “Journalisme sans crainte ni complaisance” na hoe “Asa fanaovan-gazety tsy amin-tahotra sy tsy miray tsikombakomba ary tsy hamalifaly”. Hitondra vaovao marina satria zon’ny olom-pirenena ny mahazo vaovao marina, hoy ny Filohan’ny Holafitry na ny OJM ny mpanao Gazety Gérard Rakotonirina izay niarahaba ny mpanao gazety manerana ny Nosy. Nosy tsy mitoka-monina i Madagasikara fa miara-miainga amin’izao tontolo izao. Daty manan-tantara ity, ary iraisantsika amin’izao tontolo izao sy hiadiana amin’ny teritery mahazo ny mpanao gazety eto Madagasikara. Zava-dehibe ny firain-kinan’ny mpanao gazety na eo aza ny lalan-jotran’ny lahatsoratra no hahafahantsika miaro ny tsirairay eo am-panatanterahana ny asa sy miaro ny asa, hoy ny Filohan’ny OJM. Nisy ny fandaharana manokana niraisan’ny mpanao gazety, ka nivoitra ny resaka fahalalahana, indrindra ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Maro ny tahotra, zavatra kely dia mety hampigadra, ary havadika any amin’ny lalàna famaizana na heloka amin’ny tambajotra ny fanenjehana mpanao gazety izay misy lalàna manokana. Tsy mahay maka lesona, tsy misy mangarahara, ny hamehana tsy natao hanagadrana, hoy ny fanehoan-kevitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT