FAHAKETRAHANA ARA-TSAINA

Ny 3%-n’ny olona manerantany no miaina izany


  • Talata 25 Febroary 2025

Ny 3%-n’ny olona manerantany no fantatra fa tratry ny fahaketrahana ara-tsaina amin’izao.

Tafiditra ao anatin’izany ny Malagasy izay maro an’isa tokoa vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Eo koa ny hadisoam-panantenana sy ny fisarahana tamin’ny vady na olon-tiana, ny tsy fananan’asa….. Raha araka ny fanazavan’ny psikology iray dia mivadika ho aretin-tsaina mihitsy ny fahaketrahana ara-tsaina rehefa tsy voafehy sy voatsabo. Mila manatona psikology avy hatrany ohatra ny olona iray tsy mahatsapa hafinaretana intsony amin’ny fiainana, mandalo alahelo lalina loatra, mora mitomany sy feno hakiviana….Ho antsika Malagasy dia fantatra fa ireo voasokajy ho sahirana no tena mandalo ity fahaketrahana ara-tsaina ity raha mbola hahiliky ny fiaraha-monina ihany koa avy eo. Nisy ny faran’ny herinandro teo ny atrikasa notanterahin’ny Psy-kozy sy ny JCI Mayendeleyo teny amin’ny CIDST Tsimbazaza mikasika ny fahaketrahana ara-tsaina. Nodinihin’ny roa tonta nandritra izany ny fomba tsaratsara kokoa handraisana an-tanana ireo tratry ny fahaketrahana ara-tsaina mba tsy ho sanatria ho tonga any amin’ny famonoan-tena izany. Rehefa diso be loatra mantsy io tranga io ho an’ny olona iray dia mihafara amin’ny famoizam-po izany.
Pati
Legende : Ireo mpandray anjara tao anatin’ilay atrikasa !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT