Actualités

Fahaketrahana ara-tsaina 800.000 isan-taona ireo mamono tena maneran-tany


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023

Tsy dia laharam-pahamehana loatra amin’ny fahasalamam-bahoaka ny fahasalaman’ny saina eto amintsika, raha araka ny resaka nifanaovana tamina psykology iray.

Raha tsiahivina kely anefa dia mihabetsaka ireo olona mamono tena sy tratry ny fahaketrahana ara-tsaina diso tafahoatra na « dépression » amin’izao vokatry ny fahasahiranana sy ny hasarotan’ny fiainana. Mbola manaporofo hatrany izany ny tsy fananantsika ny antontan’isan’ireo olona tratry ny fikorontanana ara-tsaina manerana ny Nosy toy ireo lasibatry ny fahaketrahana ara-tsaina, ny rarin-tsaina ary ny hakiviana ara-tsaina hoy hatrany ity psykology ity. Ho an’ireo efa tena marary dia tsy manana afa-tsy CHU roa mandray an-tanana izany isika eto Madagasikara dia ny ao amin’ny CHU Anjanamasina Antananarivo sy ny CHU Androva any Mahajanga. Ankoatra izay dia mbola tsy ampy ihany koa ireo mpiasa mikarakara ny fahasalaman’ny saina no sady mivangongo an-tanàn-dehibe ny ankamaroan’izy ireo. Tsy ho antsika eto Madagasikara irery ihany anefa io tranga io. Ny 75%-n’ireo olona mikorontan-tsaina maneran-tany mantsy no tsy afaka misitraka fandraisana an-tanana raha mahatratra 800.000 isan-taona kosa ireo olona mamono tena maneran-tany. Na izany aza moa dia nomarihin’ity psykology iray ity fa azo sorohana tsara ny fikorontanana ara-tsaina mahazo ny olona iray. Ezahina ny manomboka ny tontolo andro amin’ny zavatra mahafinaritra. Ilaina ihany koa ny fialam-boly sy ny fiarahana amin’ny fianakaviana, ny famenoana ny torimaso ho adin’ny 8 ora isan’andro ary ny fitonian-tsaina manoloana ny zava-mitranga. Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT