Notanterahina omaly tetsy amin’ny oniversite ITU andoharanofotsy ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny fandrantoana fianarana any Etazonia. Ireo mpandrindra rejionaly avy ao amin’ny ambasady amerikanina momba ity programa ity no tonga nanatanteraka izany teny an-toerana notarihin’i Clara L.Priester..........
Notsindrian’ireo mpandray anjara manokana fa sehatra tadiavin’ny asa tokoa amin’izao fotoana raha ny resaka informatika, ka nampirisihan’izy ireo manokana ny mpianatra Malagasy, indrindra fa ireo ao amin’ny ITU mba handalina bebe kokoa izany any amin’izy ireo na amin’ny alalan’ny vatsim-pianarana izany na fiantohana tena satria tsy dia lafo loatra ny sarany any an-toerana. Ho an’i Etazonia manokana dia anisan’ny manana oniversite natokana ho an’ny lalam-piofanana informatika izy ireo dia ny oniversite MAT izany. Anisan’ny fepetra takiana ho an’ny mpianatra izay handranto fianarana any ny fahaizana teny anglisy sy ny fananana mari-pahaizana «Masters 1». Raha ny nambaran’ny rektoran’ny oniversite ITU Atoa Olivier Robinson moa dia nomena tombony manokana izy ireo tamin’izao famelabelarana izao noho izy ireo hany tokana manana ny fenitra takian’ny iraisam-pirenena amin’ny fampianarana informatika eto Madagasikara. Tsara ny manamarika fa ny IT University dia miara-miasa manokana amin’ny Microsoft Academy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.