Fahaiza-mitantana sy fahaleovantena marina

Fizakàn-tena fa


  • Alatsinainy 08 Desambra 2025

tsy fitsinjaram-pahefàna no ilaina

Fizakàn-tena fa tsy fitsinjaram-pahefàna no ilaina, raha tiana ny hisian’ny fahaiza-mitantana sy fahaleovantena marina, hoy ny fanazavàn’ny mpahaitantàra sy sivilizasionina sady minisitra teo aloha, ny Dr Benjamina Ramanantsoa Ramarcel, nandritry ny androm-pifanakalozana momba ny fitantanana sy fanapariaham-pahefàna teny amin’ny Akademia malagasy eny Tsimbazaza ny faran’ny herinandro teo. Nomarihiny fa petrakevitra na «concept» frantsay izany hoe fitsinjaràm-pahefàna izany. Tsy misy manana fahefàna izany, hoy izy, ka manaiky hizara ny fahefàny. Fizakàn-tena no izy ka na any amin’ny fanabeazana aza dia izay no tanjona. Hoy ny ray aman-dreny rehefa manome tsodrano hoe «Sady mahatsangy no mahary!». Mahavita mizaka tena no dikan’izany. Mbola dingana tsy mety tontosa hatramin’izao nefa ny fanomezana fizakàn-tena ireo faritany miisa 6 eto Madagasikara. Samy nanana ny petra-keviny momba ny atao hoe fitsinjaràm-pahefàna, fanapariaham-pahefàna, indrindra, io fizakàn-tena io ny fitondràna nifandimby hatramin’ny nahazoana fahaleovantena. Nalaim-panahy isika avy eo taty amin’ny taona 1972 sy 1974 taty hivoy sy hoe hametraka izany antsoina hoe federalisma izany tao anatin’ny fitondràn’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa. Niezaka nametraka faritany mizaka tena tokoa avy eo ny fitondràna Ratsiraka nanomboka taty amin’ny taona 1998 saingy indrisy fa tsy naharitra izany fa ny taona 1999 hatramin’ny taona 2002 dia rava. Mila hamafisina orina tsara, noho izany, raha ny fanazavàn’ity mpahaitantara ity hatrany, ny fahafahan’ireo faritany miisa 6 mizaka tena mba tsy hivangongoan’ny fahefàna eto afovoatany foana ka hametraka fitondràna tsy refesi-mandidy matetika na «Etat unitaire».
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT