Fahaiza-mandrindra ny fako

Atomboka eny an-tsekoly, natao fitaratra ny EPP Ivato


  • Alakamisy 25 Jolay 2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

amin’ny dingana fanatanterahana tetikasa « concours fresque » karakarain’ny Fikambanana MAEVA (Meilleur Assainissement pour l’Environnement de la Ville d’Antananarivo) niarahana tamin’ny STCV (Société de Trie de Compactage et de Valorisation de déchet) sy Ravinala Airports. Ny tetikasa « concours fresque » dia fampiofanana ara-tontolo iainana miompana any amin’ny fahaiza-mandrindra ny fako. Ankizy 6 hatramin’ny 14 taona eny anivon’ny sekolim-panjakana EPP na CEG no hofanina, ka nisitraka izany ny teny Ivato. Mahangona fako hatramin’ny 700 taonina isan’andro eo i Antananarivo kanefa mbola tsy manana paikady arifomba mazava handrindrana izany, ka ny akamaroany aza dia dorana eny anivon’ny toerana voatokana, kanefa tena anisan’ny manimba ny tontolo iainana. Izany no antony namolavolana i MAEVA Association sy STCV izay mpanorina azy nanao izao tetikasa izao, ka ny EPP ivato village no sekoly voalohany nanaovana izany, izany hoe : « EPP PILOTE », hoy ny fanazavana. Anatin’ny 2 taona ny tetikasa, ka ny dingana voalohany dia : «fampiofanana sy tosika ara-mpitaovana » natao tao anatin’ny 6 bolana voalohany. Ny fampiofanana fahaiza-mandrindra ny fako, izay natao teto dia famolavolana ny ankizy ho lasa mpampiofana kely eny anivon’ny fiaraha-monina misy azy na amin’ny teny vahiny « formation des formateurs » izay notohanana tamin’ny fampiofanana amin’ny fahaizana mitondra teny na «atelier jeune leader », hoy ny fanazavana. Teo ihany koa ny fametrahana fampitaovana dia daba fanavahana fako anakiroa na (bacs de trie) plastika sy taratasy, izay misokatra ho an’ny mponina rehetra eny anivon’ny fokontany Ivato K3 eny hatramin’ny kaominina Ivato aza. Horaofin’ny orinasa STCV ny fako voaangona amin’ireo daba pako ireo ka hovidiny amin’ny fikambanana ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra izany na ny (FEFFI) mba ho lasa fidiram-bola maharitra ho an’ny fikambanana izany ho tombotsoan’ny mpianatra rehetra. Nanao ihany koa ny fandokona rindrina na (fresque murale) sy fametrahana dian-tanana ekolojika na (empreinte écologique) izay fanamarihana ny fandraisan’ny ankizy andraikitra ho an’ny tontolo iainana izany. Mandeha ny fanaraha-maso, ary hisy ny tombana.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT