Fahafatesan’ireo mpianatra miisa 5 tao Antsanitia

«Tokony hisy ny fanokafana fanadihadiana!»


  • Alarobia 30 Aprily 2025

Miombona alahelo noho ny fahaverezan-janaka tao amin’ny distrikan’i Manjakandriana,

hoy ny maintimolalin’ny lisea Manjakandriana, manoloana ny voina nahafatesana mpianatra miisa 5 tao amin’ity lisea ity raha nanao dia fibeazana tany Antsanitia, Manjakandriana, ny faran’ny herinandro teo. Mpianatra nivoaka tao amin’izany lisea izany ny tena, hoy izy, ary isan’ny mba nikarakara dia fibeazana na «voyage d’étude» voalohany tao. Tohina tanteraka manoloana ny zava-niseho. Amin’ny maha Kristianina dia ekena fa Andriamanitra no mpandahatra ny fiainan’ny zanak’olombelona. Mampiseho miharihary nefa ireny fa tsy misy ny aroriaka eto amin’ny firenena. Tsy ampy ny fandraisana andraikitr’ireo heverina ho tokony tomponandraikitra. Na izany fady sy tsy azo atao any an-tanin’olona izany aza tokony fantatra mialoha. Tena nipetraka ve ny andraikitry ny tsirairay nialoha ireny rehetra ireny, na mpitondra io na ray aman-dreny na mpanabe. Alahelo ny maheno fa natao tany anaty entana ireo razana raha niverina tany Manjakandriana tamin’ny alalan’ireo fiara nitondra azy ireo tany ihany. Fanao ve izany. Nisaona moa izahay teto Manjakandriana. Ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena koa ve niombom-po tamin’izany? Inona no ilàna ny atao hoe PASCOMA anatin’ny tranga toy ireny? Tsy andoavan’ny ray aman-dreny vola ve moa ireny rafitra ireny? Heverina fa na tsy nisy aza ny fitoriana dia tokony hisy ny fanokafana fanadihadiana mikasika ny raharaha toy ireny! Ny tranga tahaka ireny nanakatonana sekoly mihitsy taloha saingy sekoly tsy miankina moa, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT