Malalaka manomboka izao ny mpanao gazety amin’ny fikaroham-baovao, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny sekretera jeneralin’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM),
Miary Rasolonjatovo. Efa nisy ny fifampiresahana teo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina mikasika izany, raha ny fanazavana hatrany. Mila mitondra hatrany ny karatra maha mpanao gazety kosa ireo izay misehatra amin’izany ary ireo izay mitondra fitaovam-pitaterana toy ny fiara sy moto moa dia mametraka ny “auto collant” izay omen’ny OJM ka manamarika izay maha mpanao gazety azy izay. Raha tsiahivina dia nanano sarotra hatreto ny fahazoam-baovao ho an’ireo mpanao gazety ary maro ireo nitaraina ho voatohintohina tao anatin’ny fikaroham-baovao nataony. Ho hita eo ny fivoaran’ny toe-draharaha ho amin’ny anio.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.