Fahafahana manao tatitra sy famoriam-bahoaka

Manomboka midingin-drambo ny depiote…


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Adihevitra teo anivon’ny Antenimierampirenena ny nanovana ny fitsipika anatiny,

ka namaritana fa tsy afaka manao tatitra afatsy tsy any amin’ny distrika nahalany azy ny depiote. Ny sary iray nitranga ny faran’ny herinandro teo anefa, dia tany Anjozorobe, Kaominina Ambatomanohina ny depiote voafidy tany Arivonimamo. Namory ireo solotenam-pokonolona avy amin'ny Kaominina manodidina rehetra, nametraka ny vondron'olona harindra ho an'ny fandriampahalemana eny ifotony. Ny voalazan’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-69, dia mazava tsara ny famaritana ao amin’ny tapany fahatelo farany hoe : « Ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena dia antsoina hoe : « Solombavambahoakan’i Madagasikara » » ka raha ny lojikan’io dia tokony halalaka ny depiote na aiza na aiza miteny sy manao tatitra, saingy ny kajy maloto ara-politika, tahotra ny hiverenan’ny « depiote 73 Bis » ka dia izao no alehany. Dia ahoana izany izao itony tranga itony ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT