Fokontany miisa 32 tao amin’ny Boriborintany faha-efatra no nifaninana tamin’ny asa fanadiovana ny faritra misy azy tato anatin’ny iray volana mahery izao
. Samy nanao izay ho afany izy ireny tamin’ny asa nankinina taminy raha anisan’ny olana nosedrainy kosa ny fisian’ireo olona tsy mahalala madio eny anivon’ny fiaraha-monina ankoatra ny tata-drano izay hanarian’ny sasany maloto mazana. Ny tena tanjona anefa raha araka ny fanazavan’ny filohany Rafitra Fanadiovana II ao amin’ny Fokontany Angarangarana dia ny mba hahafahana miaro ireo olona marefo amin’ireo karazan’aretina ateraky ny loto indrindra fa ny ankizy madinika. Tafiditra ao anatin’izany ny aretin-kibo.…Tonga nizara fanomezana toy ny boreta, kofafa…ho an’ireo mpifaninana mendrika indrindra ny PDS-n’Antananarivo renivohitra omaly. Nambarany tamin’izany fa mitondra tombontsoa betsaka ho an’ny tananan’Antananarivo ny fisian’ny tanana madio tahaka izao raha miezaka avokoa ny rehetra. 3Tanana madio, mandeha3, io ny loha-hevitra tamin’ny fifaninana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.