Nandalo dia niserana tahaka ny tamin’ny 2010 ny datin’ny 26 janoary nisian’ny fandrobana tsy roa aman-tany teto Madagasikara.
Ekena fa manahiran-tsaina ny maro amin’izao fotoana ny fiakaran’ny vidim-bary sy ny solika, fa na dia izany aza dia tsy tafiditra mihitsy tao anatin’ny filankevitry ny ministra ny alarobia hariva lasa teo ny fandinihana izay ho fanampiana ireo very fananana sy may trano tamin’ny «Lundi Noir» iny. Tsy sanatria mamoha fota-mandry, na manamaivana ny fahorian’ny sasany fa tena maro lavitra noho ny namoy ny ainy sy naratra tamin’ny 7 febroary 2009 ny tamin’ny 26 janoary 2009. Raha ny fahapotehan’ny fananana dia an-jatony miliara ariary.
Tena mahagaga sy mahatalanjona ny maro anefa ny tsy firaharahian’ny FAT iny tranga nanamaloka ny fiainam-pirenena iny. Nahavitana hatramin’ny tsangambato ho fahatsiarovana miampy fandoavana vola isam-bolana ho an’ireo nitondra takaitra na fianakavian’ny maty ny raharaha 7 febroary, fa zavatra tahaka ny tsy nisy kosa ho an’ny mpitondra ankehitriny ny 26 janoary. Hoy indrindra ny mpivarotra iray eny Behoririka : «Tena niandry vasoka araka ny fomba fiteny izahay satria tsy nisy fanampiana na dia ariary aza voaray hatramin’izao, mety ho afaka 39 taona tahaka ny lapan’ny tanàna koa angamba vao hahazo fanampiana izahay ka afaka hanarina ny may sy ny potika rehetra». Nilaza koa anefa ireto mpivarotra ireto fa nisy mpivarotra sasany nahazo fanampiana, saingy tena an-kavitsiana ary tsy mangarahara mihitsy ilay izy.
Ao anatin’izay fanehoan-kevitra izay ihany dia nanambara Rtoa Brigitte Rasamoelina, filohan’ny antoko Ampela Manao Politika sady filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita, fa tsy tokony hatao resabe fotsiny ny fanampiana ireo niharam-boina sy voaroba tamin’ny 26 janoary 2009 fa tokony homena vola izy ireo. Tsy mety, hoy izy ny manimba zavatra, na inona na inona mety ho anton’izany. Mila beazina amin’io resaka fanajana ny fananan’olona sy ny fananana iombonana io mihitsy ny Malagasy. Ary ny olon-tsotra ihany koa, araka ny fanazavany ihany dia tokony mba handinika tsara amin’ny zavatra ataony fa tsy hoe noho ny tsy fitiavana na fankahalana no hamotehana fananan’olona, na orinasan’olona. Tsara homarihana fa mbola an’aliny maro ny olona very asa ary tsy mbola nahita asa raikitra amin’izao fotoana taorian’ireny zava-nitranga tamin’ny 2009 ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.