Faha-88 taona nahaterahan’i Didier Ratsiraka

Nomarihina tamin’ny fanateram-boninkazo


  • Talata 05 Novambra 2024

Notsarovana tamin’ny alalan’ny fanaterana fahaezam-bonikazo izay nataon’ny

fianakavina sy ireo namana ary mpitarika ny antoko Arema omaly 04 novambra teny amin’ny Fasan’ny mahery Fo teny Mausolée ny faha-88 taona nahaterahan’ny Amiraly didier Ratsiraka. Tsy ho adino ary tsy ho afaka ao am-pon’ny malagasy izany Didier Ratsiraka izany raha ny zava-bitany hoan’ny firenena Malagasy, hoy ny sekretera Nasionalin’ny antoko Arema Rtoa Annick Ratsiraka. Tonga nanotrona sy nanome vononahitra io fotoam-pahatsiarovana io ihany koa ny solotena avy amin’ny ministeran’ny Foloalindahy Malagasy, ny solotena avy amin’ny mpikatroka sy ireo ratsamangaikan’ny Arema rehetra ary ny mpitsoka mozikan’ny governemanta. Naneho hatrany moa ny Sekretera nasionalin’ny Arema fa nitsinjo ny taranaka ho avy ny filoha Didier Ratsiraka nandiritra ny fotoana nitondrany ny firenena, ka nilazany fa fotodrafitrasa nataony no mbola ampiasain’ny vahaoaka hatramin’izao, raha tsy hiresaka afatsy ny famatsina rano sy herinaratra fotsiny. Raha ny Toby famokarana herinaratra ao Andekaleka ohatra dia natsangana hamatsiana an’Antananarivo izy io ary mbola ampy tsara ny vokatra avy aminy raha tsara ny fitantanana sy ny fikojakojana, hoy ny fanamarihana. Fanaterana fehezam-bonikazo ihany moa ity natao omaly ity fa ny sabotsy 09 novambra izao no ivon’ny fahatsiarovana ka eny Ambavahaditokana Itaosy no hanaovana ny fanapahana ny mofo mamy ho fahatsiarovana izany Ray Aman-drenin’ny malagasy izany, hoy ny mpitarika ny Arema.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT