Actualités

Faha-76 taonan’ny tolom-panafahana Naverina nohazavaina ny atao hoe « bekotromaroholatra »


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Nosokafan’ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa, Minisitry ny Fiarovam-pirenena, tamin'ny fomba ofisialy tetsy amin'ny zaridainan'Anosy omaly 22 martsa 2023 ny fanamarihana ny faha-76 taonan'ny tolom-pahafana 29 martsa 1947.

Nasaina manokana ireo Bekotromaroholatra sisa nanamborana nandritra ny fotoam-panokafana, ka nisy ny fizaham-pahasalamana natao tamin'izy ireo. Teo ihany koa ny fampirantiana mahakasika ny tolona izay natao ka tsy hifarana izany raha tsy amin'ny 28 martsa 2023. Tara-kevitra nosafidina entina manamarika ny faha 76 taon'ity tolom-panafahana ity ny hoe "Tolom-panafahana, Firaisan-kina ho an'ny Fitiavan-tanindrazana". Isan’ny adihevitra moa ankehitriny ny hoe : inona no mason-tsivana ahafahana milaza fa bekotromaroholatra ny olona iray ? Tsy voatery ireo olona nandray fitaovam-piadiana ihany fa ireo niharam-boina, ireo zanaky ny mpitolona sy ireo misionera tamin'izany no voasokajy ho mpiady tia tanindrazana, hoy ny fanazavan’ny talen'ny mpiady tia tanindrazana eo anivon'ny minisiteran'ny fiarovam-pirenena, Kolonely Randrianantenaina Emilson io omaly io. Nomarihiny fa mbola mahatratra aman-jatony ireo mpiady tia tanindrazana mbola velona izay sahanin'ny fitaleavan'ny mpiady tia tanindrazana eo anivon'ny minisiteran'ny fiarovam-pirenena. Io rantsana io no manome ny zo rehetra tokony ho sitrahan'izy ireo, toy ny fanomezana "pension viagères ", ny fanonerana ny vola lanin'izy ireo amin'ny fitsaboana, ny fanatsarana sy fitandroana ny endrik'ireo fotodrafitrasa mifandraika amin'ny hetsi-panafahana. Ankoatra ny etsy Anosy dia misy ny trano fampiratiana azo tsidihana maimaimpoana manomboka amin'ny 8ora hatramin'ny 4ora eo anivon'ny fitaleavana misahana ny mpiady tia tanindrazana etsy andohan'Analakeky, raha ny fampahafantarana hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT