FAHA-65 TAONAN’NY FAHALEOVANTENA

Hanao fety be ny kaominina Ivato


  • Alarobia 04 Jona 2025

Fety goavanambe no hotanterahina ao anatin'ny kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo

ho fanamarihana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara.Iarahana amin'ny Faritra Analamanga ny hetsika, tohanan'ny Ben'ny tanana Penjy Randrianarisoa ka eny amin'ny BANI Ivato no hanatontosana izany, raha araka ny fantatra. Hanomboka ny datin'ny 19 Jona ho avy izao no hanaovana ny lanonana, haharitra 03 andro. Mpanakanto malaza marobe moa no ho avy hanafana ny Podium mandritra izany. Ho an'ny hetsika sosialy entina hanasoavana ny vahoaka manokana dia fantatra fa hisy ny didim-poitra faobe ho an'ireo zazalahy kely mbola tsy voafora manerana ny kaominina. Maimaim-poana toy ny fanaon'ny kaominina isan-taona izany. Efa nanomboka afak'omaly Alatsinainy 02 Jona ny fisoratana anarana.Mitohy hatrany moa ny ezaka fanasoavam-bahoaka sy fampandrosoana ny tananan'Ivato taorian'ny nahalany fanindroany indray ny Ben'ny tanana Penjy Randrianarisoa
Pati
Légende : Tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny fetin'ny 26 Jona ny didim-poitra faobe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT