FAHA-60 TAONAN’NY MAGAZAY BALLOU

Hanampy ireo mitady fanomezana ho an’ny Fetin’ny Reny


  • Talata 20 Mey 2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny

Magazay Ballou eny Andraharo ankehitriny. Misokatra manomboka anio Talata 20 May no tolotra omeny ny mpanjifa rehetra mifandraika amin’izany izay tafiditra ihany koa ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Reny. Ankoatra ireo karazana kojakojan-dakozia izay misy fihenam-bidy hatrany amin’ny 60 % dia voakasika ihany koa ny fandriana, ny kojakoja natokana ho an’ny ankizy, ny ondana… Tsiahivina hatrany moa fa Mr Meralli Ballou no namorona ny magazay Ballou tamin’ny taona 1965. Mpivaro-damba teny Analakely no niandohany tamin’ny alalan’ny toerana 12 m2. Ankehitriny lasa orinasa lehibe izy ireo ary mivarotra kojakoja marika Eoropeana. Haharitra 11 andro ny hetsika hotanterahin’izy ireo amin’ireo karazana kojakoja hatrany amin’ny 1400 isa. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Reny izao.
Pati
Legende : Azo hatao fanomezana fetin’ny Reny tsara ireto karazana kojakoja ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT