FAHA-60 TAONAN’NY CITE AMPEFILOHA

Hisy ny fananganana tobim-pitsaboana ho an’ny mponina


  • Talata 13 Aogositra 2024

Mafy ny firaisankinan’ireo mponina ao Ampefiloha Cite izay miisa 43.000 miparitaka

amina faritra miisa 5 ankehitriny. Mety samy manana ny fomba fijeriny izy ireo eo amin’ny resa-politika saingy amin’ny ankapobeny dia mahay mifanampy sy mifanohana antony hananganan’izy ireo toeram-pitsaboana manokana. Nivoitra izany omaly Alatsinainy 12 Aogositra nandritra ny fampahafantarana ny fankalazan’izy ireo ny faha-60 taona nijoroan’ity Cite iray eto an-drenivohitra ity izay tsiahivina fa niorina tamin’ny taona 1964. Efa nisy ny hetsika nentina nanamarihana izany tamin’ny datin’ny 25 Jona lasa teo raha araka ny fanazavan-dRambelomanana sefom-pokontany. Efa nisy ihany koa ny didim-poitra faobe notanterahina. Mbola hitohy amin’ny lalao ara-panatanjahantena izany ny datin’ny 15 Aogositra ho avy izao arahin’ny fiaraha-mitsangatsangana tanterahin’ny mponina. Mirefy 64 ha moa ny Cite Ampefiloha iray manontolo raha tsiahivina. Anisan’ny Cite naorin’ny fanjakana tahaka azy ihany koa ny Cite 67 ha, Analamahitsy ary Ambohipo.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’izy ireo omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT