Actualités

Faha 25 taonan’ny Radio Feon’Imerina Hiaka-tsehatra ireo mpanakanto zokiny indrindra


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Hisokatra ny alahady 16 aprily 2023 amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny CC Esca Antanimena, ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny Radio Feon’ Imerina.

Ny taona 1998 no nandeha voalohany ity onjapeo ity, hoy ny fampahatsiahivana ny tantara. Rindrakira goavana sy miavaka no hanombohana ny fankalazana, hoy ny fanazavana. Ireo mpanankanto zokiny indrindra no hiaka-tsehatra, Isany i Fidimalala sy ny Angolan’Imerina, Abel Ratsimba, Salomon sy Lizah Raseta, Tovo Andrianandraina, Razedra sy Ralanto, J. Andriamanantena, Mamy Rakotoarimalala sy ny Gasy Miangola, Tarika Jean Luce sy Lala, Narisoa, Ny Alondrano, Noely sy ny Sakelidalana ary ireo mpanankanto tanora ahitana an’i Faniry Raelison hihira ny sangan’asan’ny raibeny dia i Rolland Raelison sy Andriampaniry mianadahy, izay niavaka ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny fankalazana ny faha 90 taonan’i Gabhy. Hanentana ny fampisehoana i Tiana Ratovondriaka sy Moreno Nicole ary Ndrema, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT