Nankalazaina omaly teny amin’ny Masoivoho Amerikana eto Antananarivo ny
tsingerintaona faha-249 nankalazana ny Fahaleovantenan’i Etazonia, raha ny 04 jolay no tena hanamarihana izany. Nampatsiahivin’ny Ambasadaoro Rtoa Ambasadaoro Claire A. Pierangelo fa tsy fanapahana fotsiny ny fatorana tamin’ny fanjanahantany no nataon’i Etazonia tamin’ny 4 jolay 1776 fa fanambarana foto-kevitra manandanja eo amin’ny maha-olona. “Ny fahefana dia miainga amin’ny vahoaka, tsy avy amin’ny mpanjaka”, hoy izy, izay manamarika ny fototry ny demokrasia amerikana. Na eo aza ny adihevitra sy tsy fitovian-kevitra, io no fototra niorenana hatrany nandritra ny 250 taona. Ity lanonana ity koa no manamarika ny fanombohana ny fankalazana manerana an’i Etazonia ho fahatsiarovana ny faha-250 taona amin’ny taona 2026. Nasongadin’ny Masoivoho Amerikanina ny lanjan’ny fifandraisana ara-diplaomatika teo amin’i Madagasikara sy Etazonia efa 150 taona izao, nanomboka tamin’ny fanendrena an’i Colonel William W. Robinson ho kaonsily voalohany tany Toamasina, tamin’ny taona 1875. Nankasitrahany manokana ny manokana ny andraikitra lehibe nentin’ny USAID teto Madagasikara nandritra ny 40 taona. Nanatanteraka tetikasa goavana amin’ny sehatry ny fahasalamana, fanabeazana, toekarena, tontolo iainana ary demokrasia io rafitra io. Nanamafy izy fa na hifarana aza ny asan’ny USAID, dia tsy hitsahatra ny fanohanan’i Etazonia ny tetikasa ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, fanampiana ara-tsakafo sy fiarovana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Notsiahivina ihany koa ny anjara biriky nentin’ny Peace Corps nanomboka tamin’ny 1993, izay nanao asa fanabeazana sy fampandrosoana eny ifotony manerana ny nosy, niaraka tamin’ny vahoaka Malagasy. Eo amin’ny sehatry ny toekarena, nomarihiny ny fisian’ny orinasa amerikana toy ny Energy Fuels ao amin’ny Base Toliara, porofon’ny fahavononan’ny mpampiasa vola avy any Etazonia hifandray amin’i Madagasikara amin’ny fomba tompon’andraikitra sy maharitra. Naneho fankasitrahana ihany koa izy tamin’ny fiaraha-miasan’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana Malagasy amin’ny ady amin’ny famarinana olona sy ny fanondranana zava-mananaina an-tsokosoko. Nohamafisiny ny fanoloran-tenan’i Etazonia amin’ny fanomezana vola sy fiofanana, izay nahatratra 2 tapitrisa dolara ho amin’izany ady izany. Farany, nitodika tamin’ny ho avy Rtoa Ambasadaoro, niantso amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro. “Hiaraka hiatrika fanamby isika, handray ireo vintana sy hiankina amin’ny soatoavina iombonana”, hoy Rtoa Claire A. Pierangelo.
Toky R
Nankalazaina omaly teny amin’ny Masoivoho Amerikana eto Antananarivo ny tsingerintaona faha-249 nankalazana ny Fahaleovantenan’i Etazonia, raha ny 04 jolay no tena hanamarihana izany. Nampatsiahivin’ny Ambasadaoro Rtoa Ambasadaoro Claire A. Pierangelo fa tsy fanapahana fotsiny ny fatorana tamin’ny fanjanahantany no nataon’i Etazonia tamin’ny 4 jolay 1776 fa fanambarana foto-kevitra manandanja eo amin’ny maha-olona. “Ny fahefana dia miainga amin’ny vahoaka, tsy avy amin’ny mpanjaka”, hoy izy, izay manamarika ny fototry ny demokrasia amerikana. Na eo aza ny adihevitra sy tsy fitovian-kevitra, io no fototra niorenana hatrany nandritra ny 250 taona. Ity lanonana ity koa no manamarika ny fanombohana ny fankalazana manerana an’i Etazonia ho fahatsiarovana ny faha-250 taona amin’ny taona 2026. Nasongadin’ny Masoivoho Amerikanina ny lanjan’ny fifandraisana ara-diplaomatika teo amin’i Madagasikara sy Etazonia efa 150 taona izao, nanomboka tamin’ny fanendrena an’i Colonel William W. Robinson ho kaonsily voalohany tany Toamasina, tamin’ny taona 1875. Nankasitrahany manokana ny manokana ny andraikitra lehibe nentin’ny USAID teto Madagasikara nandritra ny 40 taona. Nanatanteraka tetikasa goavana amin’ny sehatry ny fahasalamana, fanabeazana, toekarena, tontolo iainana ary demokrasia io rafitra io. Nanamafy izy fa na hifarana aza ny asan’ny USAID, dia tsy hitsahatra ny fanohanan’i Etazonia ny tetikasa ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, fanampiana ara-tsakafo sy fiarovana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Notsiahivina ihany koa ny anjara biriky nentin’ny Peace Corps nanomboka tamin’ny 1993, izay nanao asa fanabeazana sy fampandrosoana eny ifotony manerana ny nosy, niaraka tamin’ny vahoaka Malagasy. Eo amin’ny sehatry ny toekarena, nomarihiny ny fisian’ny orinasa amerikana toy ny Energy Fuels ao amin’ny Base Toliara, porofon’ny fahavononan’ny mpampiasa vola avy any Etazonia hifandray amin’i Madagasikara amin’ny fomba tompon’andraikitra sy maharitra. Naneho fankasitrahana ihany koa izy tamin’ny fiaraha-miasan’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana Malagasy amin’ny ady amin’ny famarinana olona sy ny fanondranana zava-mananaina an-tsokosoko. Nohamafisiny ny fanoloran-tenan’i Etazonia amin’ny fanomezana vola sy fiofanana, izay nahatratra 2 tapitrisa dolara ho amin’izany ady izany. Farany, nitodika tamin’ny ho avy Rtoa Ambasadaoro, niantso amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro. “Hiaraka hiatrika fanamby isika, handray ireo vintana sy hiankina amin’ny soatoavina iombonana”, hoy Rtoa Claire A. Pierangelo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.