Actualités

FAHA-20 TAONAN’NY FAWE MADAGASIKARA « Ampianaro ny ankizivavy ary aza ampanambadiana mialoha intsony », hoy i Dr Dina Jeanne


  • Alakamisy 31 Jolay 2014

Nanetriketrika ny fankalazana ny faha-20 taona nijorony FAWE Madagasikara tany Toliara, omaly.

Teny filamatra tamin’izany ny hoe : «  Ampianaro koa gnanak’ampela ». Ny tanjona, hoy Rtoa Dina Jeanne, filoham-boninahitry ny FAWE Madagasikara ny hampidirana ny ankizy rehetra an-tsekoly, indrindra ny zazavavy. Izy moa dia sady filoha voalohany tamin’ny taona 1994, no vehivavy « recteur »-n’ny oniversite voalohany teto Madagasikara. Lasa entam-barotra itadiavan-karena any Atsimo ny zazavavy noho ny fomban-tany sy ny fahantrana, amin’ny alalan’ny fampanambadiana mialoha ny fotoana, araka ny filazany. Nahitsy kosa ny hafatry ny filoha nasionalin’ny FAWE Madagasikara sady depioten’i Fandriana, Rtoa Raharimalala Toto Lydia, fa « hampiaro ny miralenta izay zo fototra ho antoky ny fampandrosoana ».

 

Totoafo ny fanentanana

 

« Aza atao mandalo fotsiny izao fankalazana izao. Ataovy totoafo ny fanentanana mba ho betsaka ny ankizy hiditra an-tsekoly ka hiditra an-tsekoly tsara fianarana ny ankamaroan’ny zazavavy aty Toliara », hoy ny lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana, ny Jly Robert, raha nandray fitenenana. Ho mariky ny fankalazana niezinezina omaly tany Toliara, dia notokanana tamin’ny fomba ofisialy sy naseho vahoaka voalohany ny tsangambato manamarika ny faha-20 taonan’ny FAWE mipetraka ao Bazaribe.

 

Handrakotra an’i Madagasikara

 

Ny filohan’ny oniversiten’i Toliara, ny Pr Dina Alphonse no nisolotena ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika tamin’ity lanonana manan-tantara ity. Marihina fa faritra sivy eto amin’ny nosy no misy ny FAWE amin’izao fotoana. Tanjona ny handrakotra ny faritra sisa mba hampitovy lenta ara-pahaizana ny zaza malagasy rehetra, indrindra ny zazavavy mba tsy hitsoaka an-daharana intsony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT