FAHA-100 TAONAN’NY TILY MADAGASIKARA

Hanefy ny mponina Malagasy mba ho avin’ny firenena


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Mankalaza ny faha-100 taona nijoroany ny Tily eto Madagasikara.

Fotoam-pivavahana lehibe notronin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny no nentiny nanokafana izany tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny faran’ny herinandro teo. Ny fanabeazana Tily dia miainga avy ao anaty raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, miaina ary mankato ny soa toaviana marobe izay harafitry ny lalana sy ny fenekena Tily. Ezaka goavana araka izany no hotanterahin’izy ireo amin’ity taona ity ka ho an’ny tsangambato manokana dia tsy foto-drafitrasa no hatsangan’izy ireo fa olona. Amin’ny alalan’ny fanamafisana orina ny soa toavina ny zaza Malagasy no hanatanterahany izany izay miainga eny amin’ny garabola ka hatreny amin’ny anjerimanontolo. Lohalaharana amin’ireny ny fanajana ny Ray aman-dReny, ny fanajana sy ny fiarovana tontolo iainana, ny fanajana olona, ny fahaiza- miaina, ny fahaiza-misaotra…. Azo hatao tsara ny manefy ny mponina Malagasy ho tena ho avin’ny firenena hoy hatrany izy ireo. Ankoatra izay dia hanatanteraka lasy lehibe hatao eny amin’ny kaominina ambanivohitra Fihaonana izy ireo ny datin’ny 01ka hatramin’ny 05 Aogositra ho avy izao. Vinavinaina ho 10.000 isa ny Tily hiasa amin’izany izay hangatahin’izy ireo tolo-tanana sy fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana. Tsiahivina moa fa efa an’hetsiny ny isan’ireo Tily manerana ny Nosy amin’izao raha 20.000 isa kosa ireo am-perin’asa. Olo-manga maro no efa navoakany toy ny Profesora Ratsimamanga, ny mpanoratra Georges Andriamanantena…
Pati
Legende : Mijoro hanampy ny mpiara-belona hatrany ny Tily eto Madagasikara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT