Fadin-tseranana

Hanafaingana ny asa ny « smart scanning »


  • Alarobia 24 Janoary 2024

I Toamasina no voafidy hankalazana ny Andro iraisam-pirenena

ho an’ny Fadin-tseranana na ny Journée internationale de la douane (JID) amin’ity taona 2024 ity. Rahampitso Alakamisy 25 sy afaka rahampitso Zoma 26 janoary no hanamarihana izany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, hanasana tompon’andraikitra maro. Hiompana amin’ny fanomezan-danja ny mpiray ombon’antoka amin’ny fanatrarana ny tanjona iombonana ny lohahevitra entina mankalaza ny JID amin’ity taona ity. Hanome mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiray ombon’antoka aminy ny Fadin-tseranana mandritra izany fankalazana izany ho famporisihina azy ireo hanao ny tsara kokoa hatrany. Hotokanana amin’io andro io ihany koa ny fitaovana fitiliana manara-penitra vaovao vokatry ny tetik’asa « Smart Scanning » amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta, izay fanatsarana ny asa eo anivon’ny fadin-tseranana, mampihena be ny fotoana lany, ao anatin’ny 3 andro eo dia milamina, tombony ho an’ny mpandraharaha mpanafatra satria mihena ny fotoana, mihena ny vola aloa,... raha ny fanazavana ara-teknikan’ny Fadin-tseranana tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraliny Atoa Lainkana Zafivanonana Ernest. Natao hiadiavana amin’ny trafika sesilany ihany koa io satria eny amin’ny fadin-tseranana no handehan’ny trafika avo lenta samihafa.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT