Actualités

Facebook Nisy nisandoka ny kaontin’ilay minisitra


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Mivoatra tokoa angamba ny teknolojia ka mitombo isa ihany koa ireo trangana fisolokiana sy hosoka amin` ny tambajotra serasera. Tsy olon-tsotra intsony no lasibatra fa hatramina minisitra mihitsy.

 

Nanao fanambarana ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Rtoa Elia Béatrice Assoumacou, fa misy misandoka ny kaonty fesibokiny. Tsy vitan` izany fa sahy ireo olo-dratsy mihitsy no maka vola aman`olona amin` ny anaran` ity minisitra ity. "Miarahaba isika rehetra namana ato amin'ny fb. Misy mampiasa ny anarako sy ny sariko ka manao compte fb izay entiny misoloky olona fa hoe mahita asa any andafy omeny ireo izay miresaka aminy raha manome vola azy. Tiako ny mampahafantatra fa ity compte iray ity ihany no ampiasaiko fa tsy misy hafa ankoatrany. Manentana isika rehetra tsy hanao j'aime na hanao commentaire na koa hanaiky ny demande d'amis amin'io compte hosoka eo amin'ny sary eo ambany io mandra-pahafoana ilay compte”, hoy ny minisitra. Efa eo am-pelatanan'ny manampahefana sy ny tompon'andraikitra momba ireny “cybercriminalité” ireny moa ny raharaha.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT