Nohalalahana fa tsy fehezin’ny banky foiben’i Madagasikara tahaka ny teo aloha intsony ny famarotana sy fanondranana ny volamena eto Madagasikara,
araka ny fampitam-baovao teo anivon’ny filankevitry ny governemanta natao teny Mahazoarivo omaly talata. Tsara ho fantatra ihany fa ny filankevitry ny minisitra tamin’ny alakamisy 28 jona 2012 no nanome fahefana ny banky foiben’i Madagasikara hifehy ity resaka volamena ity ka na misy aza mpandraharaha mividy volamena eto amin’ny tsena anatiny dia tsy maintsy mivarotra izany any amin’ny banky foiben’i Madagasikara izy avy eo, ary ity banky ity irery no manana fahefana hivarotra ny volamena avy eto Madagasikara any ivelany. Ny fifehezana ny fifamezivezen’ny volamena sy ny kalitao tsara ananany eto Madagasikara sy any ivelany no nandraisana io fanapahan-kevitra io tamin’izany fotoana araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany faha tetezamita. Niova indray izany ny fepetra ankehitriny fa dia afaka mividy sy mivarotra ary manondrana volamena ny mpandraharaha eto amintsika. Inona no nahatonga ny fitondram-panjakana handray tampotampoka teo io fanapahan-kevitra io, kanefa tato ho ato izay dia tena misy foana ny volamena naondrana an-tsokosoko ka tratra teny Ivato na tany ivelany ? Ary ny teratany Karana matetika no manao azy io. Raha nisy aza mantsy ny fanaraha-maso natao sy ny fifehezan’ny Banky foibe ny fividianana sy fanondranana ity harena ankibon’ny tany iray ity dia nandeha foana ihany ny trafika, ka inona no mety hitranga amin’izao fanalalahana azy izao indray ?
Paoly:Milay fa dia handeha tsara izany ny afera e ! tehaka kely ho an-drafôrsa sy big Jean.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.