Actualités

Fa misy inona Lasan’ny Karana ny Jirama ?


  • Alarobia 20 Aogositra 2014

Raha mandia fotoan-tsarotra ny orinasa Secren, mitsipozipozy ny Air Madagascar dia mandeha koa izao ny resaka fa ho lasan’ny Karana ambongadiny koa ny Jirama.

Mailo avokoa izay nanontanian’ny Tia Tanindrazana mba hanamarinana io vaovao io. Manda ankitsirano ny fahamarinan’io resaka io ny teo anivon’ny minisiteran’ny angovo. Misy eo anivon’ny Jirama indray anefa milaza fa misy amin’izao fotoana izao fiketrehana ny hanomezana ny tsy miankina ny fitantanana ny Jirama. Efa lasa lavitra aza ny filazan’ny loharanom-baovao sasany, fa hoe lasan’ny Karana ity orinasam-panjakana ity. Misy dian-tanan’io Karana io na ny resaka taotrano, ny serasera sy fifandraisan-davitra eny hatramin’ny  banky aza. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia orinasam-panjakana vitsivitsy no efa lasa eo am-pelatanan’io Karana mpanefoefo io amin’izao ary mety hanaraka koa ny Jirama. Ny mpitondra ny Repoblika fahefatra anefa isan’andro milokaloka ny handray an-tanana ny fanarenana ireny orinasa reharehan’ny Malagasy ireny, raha izao anefa dia hivaro-pananana tsotra izao no dikany. Fa inona no nitranga tampoka tao ? Tsy misy ny vola ? Tsy matoky ny Malagasy ny mpitondra ? Andrasana ny fivoaran’ity raharaha ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT