Tsy mankasitraka ny fisamborana sy fampiasan-kery amin’ireo mpiasa manao fitakiana ny zony sy milaza ny tsy rariny iainany eo anivon’ny orinasa Air Madagascar, ny mpandrindra nasionalin’ny Fiaraha-Mientan’ny Mpiasam-panjakana Malagasy Ramamonjisoa Florentin
izay tonga nanohana ny hetsiky ny mpiasan’ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka teny amin’ny fitsarana Anosy omaly. Misy ny tsy mety amin’ny fomba fitantanan’ny mpitondra fanjakana amin’ny ankapobeny matoa mampaneno lakolosy ny mitokona ny mpiasan’ny orinasa na sampandraharaham-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny asam-panjakana na koa ny fananantany miseholany amin’izao fotoana izao. Tokony hojerena sy hovahana ao anatin’ny fe-potoana 24 ora, ohatra, ny mikasika ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny mpiasan’ny Air Madagascar sy ny mpitantana, araka ny fanazavany. Mihevitra rahateo ity mpanentana ny F3M ity fa tsy hampiova zavatra ny fitolomana samy mandeha, samy mitady tanterahan’ireo sokajin’ny mpiasa isanisany ankehitriny. Zava-dehibe sy tena ilaina ny fanambaran-kerin’ireo sendika mpiaro ny zon’ny mpiasa, hoy Ramamonjisoa Florentin.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.