Actualités

Exode Urbain karakarain’ny Hafari Malagasy Natomboka ny talata teny Andranomasina ny ny ady fototra voalohany


  • Alakamisy 07 Aogositra 2014

Nanatanteraka hetsika ady fototra voalohany hananganana trano fivarotana “pavillons” 10 sy Cité 10 ary trano “Chalet” 10 hafa koa teny amin’ny fokontanin’Andranomasina ao amin’ny kaominin’Ambohimanjaka distrikan’Ambohidratrimo, ny talata teo, ny vovonana Hafari Malagasy sy ireo mpanao fangatahana mpisitraka ny tany hanatanterahana ny tetikasa

fifindra-monina faobe “exode urbain” novinavinaina hatramin’izay niaraka tamin’ny fokonolona eny an-toerana notarihan’ny ben’ny tanànan’Ambohimanjaka. Tapaka tao amin’ny fivoriambe natao ny alatsinainy 4 aogositra teo, hoy ny filohan’ny Hafari Rafanomezantsoa Jean Nirina nampita ny vaovao, fa atao andrana sy ho fitaratra hananan’ny olona risi-po harisika amin’ity fifindra-monina hialana amin’ny fahantrana ity izao natao teny Andranomasina izao. Ezahina ny hahakely ny vola lany amin’ny fananganan’ny tsirairay avy ny trano, hoy izy, ka misy ny hatao rotso-peta manarapenitra. Misy harafitra amin’ny biriky tany nefa hisy koa ny hampiasana biriky masaka (homena an’ireo tompon-tanàna ankehitriny ny asa fanaovana izany biriky izany). Efa misy hazo fihinam-boa ao amin’ity toerana ity, hoy ny fanazavana fanampiny azo, misy fisoko hiompiana akoho sy kisoa ihany koa . Ho jerena  ary hampandehanina tsy ho ela ny asa paika vato (carrière) . Hiaraka amin’izany ny fampandehanana an’ireo taksibe novidiana. Ao anatin’ny 2 na 3 volana no vinavina hahavitan’ireo fananganana fotodrafitrasa ireo ary ankinina amin’Andriamanitra tanteraka izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT