Nampanontanintena ireo mpanotrona ny lanonana fiokanan’ny Exode Urbain ny jiron’ny tanàna vaovao eny Bevomanga Soaniedanana RN 4 ny alakamisy teo ny fanotronan’ny depiote voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-6 ny hetsika fa tsy nahatazanana kosa ny depiote voafidy avy eny Ankazobe teny an-toerana
. Raha nionona tamin’ny fieritreretana fa tsy nahazo taratasy fampandrenesana angamba ity farany ny rehetra dia nilaza mazava koa ramatoa solombavambahoaka voafidy teny amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo-Renivohitra, Raherisoa Vololona Victorine, fa noho ny fiaraha-misa matotra misy eo aminy sy ny Hafari Malagasy no nahateo azy sy noho ny efa fahazarany koa amin’ny fijerena ny sosialim-bahoaka hatrizay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.