Tsy mankasitraka ny fanohizana fampidirana am-ponja mpanao gazety manao ny asany toy ny tamin’ny tetezamita ny tenako, hoy ny mpanao gazety Evariste Ramananantsoavina. Fandrahonana sy fampitahorana ny mpanao gazety rehetra an-kitsirano izany ary manohintohina ny fahalalahan’ny asan’ny fanaovan-gazety tsotra izao
Efa nambarako tamin’ny fivoahana ny fonja tamin’ny fotoanandrony (2009), hoy ity namana ity, fa tsy mendrika ny mpanao gazety izany fonjan’Antanimora izany. Natokana ho an’ny mpanao heloka bevava sy mpanongam-panjakana izany fa tsy ho an’ny mpanao gazety manao ny asany ara-dalàna. Izahay dia milaza, hoy i Evariste Ramanantsoavina fa na dia mipetraka amin’ny toeran’olom-pirenena tsotra aza ireo mpitory dia tsy ho afaka velively ny maha mpitondra fanjakana azy ireo ka tsy maintsy kilasian’ny olona ho ny mpitondra fanjakan’ny Repoblika faha-4 no manohy ny asan’ny tetezamita mampiditra am-ponja mpanao gazety indray. Nodradraina fatratra anefa ny fitoniana ary mbolaa katsahina mafy ny fampanjakana ny fanjakana tsara tantana ankehitriny. Tsy maintsy mahatanty tsikera mavaivay rehefa te hiditra amin’ny fanaovana politika sy te ho mpitondra fanjakana e ! Tena manan-jina tokoa ity hazo boaderôzy ity ka na ny miresaka azy monja aza dia efa nampiditra sarangan’olona maro am-ponja. Mainka izany fa ny manondrana azy an-tsokosoko tsy asa fotsiny ? Mankahery ny Talen’ny famoahana Jean Luc Rahaga sy ny Tonian’ny fanoratana ny “Madagascar Matin” Didier Ramanoelina ny tenako, hoy ny namana mpanao gazety Evariste Ramanantsoavina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.