Manodidina ny 1 200 ireo karazana « orchidée » misy eto Madagasikara ary tsy misy afa-tsy eto amintsika ihany koa ny 90% amin’izany.
Isan'ireo « orchidée » mampiavaka antsika ny antsoina hoe "Etoile de Madagascar" (Angraecum sesquipedale. Ny volana jona hatramin'ny volana novambra izy no mamony ary any amin'ireo faritr'ala any amin'ny morontsirak'Atsinanan'ny Nosy no tena ahitana azy. Mamokatra singa izay isan'antoky sakafon'ireo biby kely toy ny lolo mpivoaka amin'ny alina toy ny Xanthopan morgani praedicta ity zava-maniry ity. ). Tafiditra ao anatin'ireo lisitry UICN (Union Internationale pour la Conservation de la Nature) ny zavamaniry atahorana ho lany tamingana noho ny doro tanety sy ny fanimbana ny ala ny “Etoile de Madagascar”.Nosy manan-karena indrindra eran-tany tokoa i Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.