Actualités

ETO STUDIO Feno 10 taona sahady


  • Alakamisy 28 Aogositra 2014

Feno 10 taona sahady ny Eto Studio, noforonin’i Jack Thierry. Ao anatin’ny fankalazana izany tanteraka ny filoha mpanorina azy sy ny ekipany amin’izao fotoana, izay manana tanjona hampivelatra sy hanome lanja hatrany ny hira Malagasy

Ho fanokafana ny fankalazana ary dia hanatanteraka fampisehoana goavana tsy mbola fahita teto amintsika izy ireo ny 31 Aogositra ho avy izao eny amin’ny Coliseum Antsonjombe. Fampisehoana izay handraisan’ireo mpanakanto malaza anjara am-polony. Filma an-tsehatra no anarana nampitondrain’ny mpikarakara ny hetsika. Tena hijery filma tokoa mantsy ny mpijery satria hisy ny fampihomehezana hiarahana amin’i Honorat, Eric, ary Rajao mianakavy… Arahin’ireo mpanakanto izay hivetso ny hira mifandraika amin’ny seho hataon’izy ireo ka raha mampalahelo ny fihetsika hataon’iretsy voalohany, dia hira mampalahelo ihany koa no hovetsoin’ireto farany dia tahaka izany hatrany. 3.000 Ar no vidim-pidirana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT