Malagasy miisa 2000 any Etazonia no lany andro ny pasipaoron’izy ireo, kanefa tsy afaka mody aty an-tanindrazana,
araka ny tatitra nataon’ny Sampan-draharaha mpanara-maso ny fivezivezena ato anatiny sy mankany ivelany. Misokatra io sampan-draharaha io eto an-toerana, saingy voafetra ho 20 hatramin’ny 30 isa isan’andro no raisina, ary ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Mbola anatin’ny fahasahiranana tanteraka satria raha ny izy, dia tokony ho eo ny olona voakasika amin’ny fanavaozana pasipaoro. Mitady ezaka hametrahana foibe fanaovana pasipaoro isaky ny masoivohontsika any ivelany ny sampan-draharaha amin’izao satria izay ihany no hany vahaolana. Andalam-pandalinana an’io ny fanjakana. Tsy manana olana amin’io kosa ny any Frantsa satria efa nametrahana toerana fanaovana pasipaoro ny masoivohontsika any an-toerana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.