ESPACE DERA TSIADANA

May kila forehitra tanteraka


  • Talata 21 Novambra 2023

Nitrangana haintrano tetsy amin’ny toerana fandraisan-danonana sy fivoriana tetsy amin’ny Espace Dera Tsiadana

omaly Alatsinainy 20 Novambra tokony ho tamin’ny 12 ora sy 41 minitra. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia vokatry ny akoson’aratra na « court-circuit » izay niainga taon-dakozia no nahatonga ny loza. Nihitatra tany amin’ny efitra hafa maromaro izany ka saika tapitra may avokoa ireo entana sy fitaovana rehetra tao an-trano. Fiara lehibe miisa 4 sy « camion citerne » iray an’ny sampana mpamonjy voina no nampiasaina namonoana ny afo nandritra izany, izay naharitra adin’ny roa sy sasany teo. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Nambaran’ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina moa fa tokony hitandrina hatrany ny rehefa manoloana ireo tranga mety hiteraka haintrano na dia ao anatin’ny fotoam-pahavaratra aza isika. Masiaka sy mahery hatrany mantsy ny afo rehefa sendra ny trano na fitaovana mety aminy ary mety tsy ho voafehy haingana izany raha tsy hampiasaina fiara lehibe maromaro mihitsy. Volabe no teti-bidin’ireo entana may hoy hatrany ny vaovao.
Pati
Legende : Niredareda tahaka izao ny afo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT