Actualités

« Ericsson Innovation Awards 2020 » Hisokatra ho an’ny tanora maneran-tany


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Misokatra ny fifaninana lehibe : « Ericsson Innovation Awards » na « EIA 2020 » karakarain’ny orinasa Ericsson.


Natokana ho an’ny mpianatry ny oniversite maneran-tany io, ka tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara. Tanjona ny hampivelarana ny hevi-baovao mitondra fivoarana eo amin’ny tontolo. Lohahevitra ho amin’ity taona 2020 ity ny hoe : « Faire face au changement climatique », izay azo hadika tsotsotra hoe :« Ny atao eo anatrehan’ny fiovaovan’ny toetr’andro ». Hifantoka amin’ny fanamby ara-toetr’andro ankehitriny sy amin’ny ho avy, ka paikady lehibe amin’izany ny fampiasana ny Teknolojian’ny fampahalalam-baovao sy ny serasera (TIC), mba hampihena ny fiovaovan’ny toetr’andro miainga amin’ny indostria sy ny mpanjifa azy. Tafiditra ao anatin’io ny fanatsarana ny fampiasana ny angovo amin’ny asa ara-indostrialy, fampihenana ny fiantraikany ratsy ara-tontolo iainana, ary ny hampihenana hatrany amin’ny 15% ny famoahana entona « carbone » hatramin’ny 2030. Afaka mandray anjara ny mpianatry ny oniversite maneran-tany, ka mamorona ekipa 2 ka hatramin’ny 4 ny mandrafitra azy. Tsy maintsy misoratra anarana sy manolotra ny soso-kevitra avy aminy hatramin’ ny 30 septambra 2030. Miisa 14 ireo ekipa ho tafiakatra amin’ny dingana ¼-dàlana, ary hisy ny manam-pahaizana manokana avy amin’ny Ericsson hanome tan-tsoroka sy tari-dàlana ho azy ireo mialohan’ny fifaninana hivoahan’ireo 3 voalohany hanao ny famaranana. Ho amin’ny endriny nomerika ny famaranana, izay hatao amin’ny desambra 2020, ka 25 000 euros ny amboara ho an’ny voalohany, 15 000 ho an’ny faharoa, ary 5000 ho an’ny fahatelo. Afaka mitsidika ny tranonkala https//www.ericsson.com/eia2020 izay rehetra mila ny andinindininy bebe kokoa amin’ity fifaninana ho an’ny taona 2020 ity.


Ny 2009 no nanombohan’ny Ericsson ny fifaninana tahaka izao. Ny taona 2018 tamin’ny lohahevitra hoe « L’avenir de la vérité », nisiana ekipa 1444 avy amina firenena 107 nandray anjara, dia ny ekipa Afrikanina Team OwnLabs avy amin’ny Sekoly ambony Politeknikan’i Dakar sy Oniversiten’i Ziguinchor avy any Sénégal no laharana voalohany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT