Feno 30 taona katroka ny nilomanosan’i Eric Tselatra tao anatin’ny mozika Rock. Tsy havela handalo fotsiny izany fa dia hisy ny seho raitra tanteraka hotanterahana ny 29 aogositra ho avy izao, etsy amin'ny dome RTA Ankorondrano, izay hiseho amin'ny endrika cabaret, sy ny 07 septambra eny Antsahamanitra izay fampisehoana tokana
. "Revy rock", no anarana nasalotry ny "Besr pro" mpiketrika ity fotoam-pankalazana ny faha-30 taona nilalaovan',ny tarika Tselatra sy i Eric mpanorina azy ny mozika rock. Ezahana ny hampiainana tanteraka ny mpankafy anatin'ny ambiansy rock, hoy i Nambinina avy ao amin'ny Best pro. Midika fa dia hifameno sy hifanaraka tanteraka amin'ny lokon'ny mozika ihany koa ny jiro sy hazavana, haingon-tsehatra, fanamafisam-peo... Hisy ny fampiaraham-peo hataon'i Eric Tselatra amin'ny zanany vavy etsy Antsahamanitra izay endrika entina hanehoana ihany koa fa efa manana mpandimby ity andrarezin'ny rock malagasy ity. Ankoatra ny hira efa nahafantarana ny tarika, hovazoina eny an-toerana ihany koa ireo vazo vaovao be toy ny "Sodoma sy Gomoro" ...
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.