Atoa Eric Rajaonary, filoha tale jeneralin’ny orinasa Guanomad no voafidy ho filohan’ny
FIVMPAMA na fivondronan’ny mpandraharaha Malagasy.Vato 214 tamin’ny 303 no azony , koa dia izy indray izany no hisolo toerana an’i Ntsoa Randriamifidimanana manomboka izao.Anisan’ny laharampahamehana amin’ny asa ho tanterahany ny fanapariahana ny FIVMPAMA manerana ny nosy, ny fifampiraharahana amin’ireo mpamatsy vola sy ny fandresen-dahatra ireo mpandraharaha any amin’ny sehatra tsy manara-dalàna mba hiditra ao anatin’ny valan’ny ara-dalàna.Miisa 15 moa ny mpikambana ao amin’ny filan-kevi-pitantan’ny FIVMPAMA izay ahitana ireo mpandraharaha Malagasy manana ny maha izy azy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.