Actualités

Eric Celerier Efa nanao faminaniana ho an'i Madagasikara ihany koa


  • Zoma 08 Mey 2020

Ankoatry ny resaka faminaniana ramatoa Brezilianina dia efa nisy karazana faminaniana ihany koa nitranga tetsy amin’ny Arena Ivandry, raha tsiahivina, ny 25 Aprily teo.

 

 

 

 

 Misionera frantsay, Eric Celerier, avy amin’ny rafitra Kristianina iraisam-pirenena, Top Chretien, no nilaza ampahibemaso tamin’ireo olona nasaina nanatrika izany. Isan’ny nanatrika azy io moa ny filoham-pirenena mivady. “Mila miray hina ianareo…Mino ny nofinofin’Andriamanitra ho an’i Madagasikara aho. Ankehitriny, ry Madagasikara, minoa anareo tahaka ny hinoan’Andriamanitra anareo. Manana fahaiza-manao ianareo…Ny fanahin’Andriamanitra hitondra fiadanana,fitiavana,fampihavanana, fahaiza-mitsara, fifaliana.’’ Ampahany tamin’ny fehezanteny tao anatin’ny famelabelarany moa io ary nialohavan’ny teny hoe ho avy ny andro hamiratan’ity firenena ity ka i Madagasikara dia toy ny vatosoa hisy haka ao ambanin’ny tany sy hanajary ho tonga hamirapiratra. Isan’ny mahatonga ny filoham-pirenena ho toy ny matoky tena loatra ankehitriny amin’izay fanapahan-keviny rehetra ankehitriny ve ireo trangana faminaniana niseho nifanesy ireo ? Tsy nohadinoin’ity lehilahy nandalo ity anefa no nilaza tamin’izany fa ny finoana dia mila fieritreretana mialohan’ny handraisana fanapahan-kevitra.

 J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT