Manjaka ny asan-dahalo any amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana, hoy Atoa Esoakele, lefitry ny ben’ny tanŕnan’ny kaominina Itampolo, nitafa tamin’ny mpanao gazety, ny sabotsy teo tany Toliara.
Farany teo raha ny fanazavany hatrany dia roa tamin’ireo dahalo avy nangalatra omby 51 no matin’ny fitsaram-bahoaka, raha tafaporitsaka kosa ny ambiny sisa velona, anisan’izany i Eratra lehiben-dahalo. Rehefa nokarohin’ny mpitandro ny filaminana ity farany taorian’ny didy fampisamborana navoakan’ny fitsarana tao Ampanihy Andrefana dia tratra tao Toliara, ny zoma maraina teo, tamin’ny 10 ora. Raha ny vaovao voaray dia efa nigadra matetika noho ny fanafihana mitam-piadiana sy halatra omby arahina vono olona i Eratra. 4 taona tao Ihosy, 2 taona tao Toliara, nefa isaky ny tafavoaka ny fonja ity lehiben-dahalo sy mpanafina jiolahy ikoizana karohina ity dia mamerin-keloka hatrany.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.