Actualités

EPP Ivandry Nojerena manokana ireo ankizy tena sahirana


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Ankizy mpianatra tena sahirana mandranto fianarana eo anivon’ny ambaratonga fototra Ivandry no notolorana fanampiana hahafahana manohana azy ireo. Ny fikambanana Rotaract club Ivandry sy ny orinasa Star no angady nananana sy vy nahitana ny fanomezana ho fitsinjovana ny maha olona

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanaovan-tsoa izay hankalazaina amin’ity volana septambra ity ny hetsika, araka ny fanazavana azo. Miisa 134 ireo mpianatra nahazo tombontsoa tamin’izany. Ny 68 tamin’izy  ireo dia nampidirina nianatra maimaimpoana, izany hoe tsy nandoa saram-pidirana tamin’ity taom-pianarana 2014-215 ity. Ny 66 isa kosa notolorana kits scolaires entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreniny. Ny sabotsy lasa teo no nanatanterahana ny lanonana tao amin’ny EPP Ivandry, natrehin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa Star sy ireo mpikambana ao amin’ny Rotaract club, zanaky ny Rotary.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT