Actualités

Entana lany daty Feno azy ny tanŕna


  • Zoma 18 Jolay 2014

Miparitaka eny an-tsena eny indray ireo entana lany daty raha nangingina tao ho ao. Anisan’ny ahitana ireo tranga ireo ny tsena lehibe rehetra eto Antananarivo toa an’i Isotry, Andravoahangy, Besarety

Mora tokoa  ny vidiny  ka betsaka ireo olona no roboka. Ny karazana entana vita avy any amin’ny firenena  miteny arabo moa no tena betsaka amin’izy ireny, ny soratra rahateo tsy hain’ny  mpanjifa  ny mamaky azy. Ny biskoitra sy ny sokola ary ireo karazana zava-pisotro no tena betsaka, misy ihany koa ny avy eto an-toerana fa vitsy.Tsy vitan’ny lany daty izy ireny fa misy hosoka ihany koa. Raha nanontaniana ireo mpivarotra dia nilaza fa ny mivarotra no ataony fa tsy mahalala ny maha tsy ara-dalàna ny entana amidiny. Nambaran’izy ireo ihany koa fa alefan’ireo tranombarotra lehibe ana vahiny mora be ny entana. Tsara ny manamarika fa tsy azo atao ny mivarotra entana efa lany daty fa atahorana amin’ny fahasalamana sy  mety mahafaty mihitsy aza. Entanina ihany isika mpanjifa mba handinika tsara fa tsy ho roboka  be fahatany. Tsinjovy ihany ny fahasalamana fa io no voalohan-karena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT