ENSOA Antsirabe

Nofanina momba ny haiady ireo mpiofana


  • Talata 30 Janoary 2024

Ho fanomanana sahady ny fidinana eny an-kianja,

iraka tsy maintsy ho efain’ireo miaramila mpiofana ao amin’ny Sekolim-pirenen’ny manamboninahitra lefitra na ny ENSOA Antsirabe, dia nohamafisina ny fahaiza-manaon’izy ireo, hoy ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena ny andron’ny omaly. Ny taranja haiady tamin’ity indray mitoraka ity no sehatra nanampiana azy ireo amin’izany dingana izany. Ny 22 hatramin’ny 26 Janoary 2024 lasa teo no tonga nizara ny traikefany tamin’ireo mpiofana “BMP1” sy “CM1” ny vondron-kery manokana Hery Vonjy Taitra, na ny G.F.S.I “Groupement des Forces Spéciales d’Intervention”, notarihan’i Lietnà Kôlônely RAJAOFARA Delphin. Mbola hisy koa ny fampiofanana ireo mpiofana zokiny “BMP2” sy “CM2” amin’ny volana Febroary 2024 ho avy izao, hoy hatrany ny fampahafantarana. Isan’ny fanatsarana goavana ara-teknika entin’ny Komandin’ny ENSOA, ny Kôlônely RAZAFITOMBO Leva Naina izany sehatra vaovao hamelarana ny tontolon’ny fifehezana ny fiarovana izany satria tanjona ny hahamatihanina hatrany ny manamboninahitra lefitra malagasy eo amin’ny lafiny maro, hoy hatrany ny eo anivon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT