Actualités

Ensemble Vocal Vox Angeli Hiaka-tsehatra etsy amin’ny CGM Analakely


  • Alarobia 09 Jolay 2014

Mankalaza ny faharoa taona nijoroany ny “Ensemble Vocal Vox Angel”, miangaly ny mozika klasika

Fiakarana an-tsehatra hotanterahina etsy amin’ny CGM Analakely ny zoma hariva 11 jolay ho avy izao no hisantaran’izy ireo izany, manomboka amin’ny 07 ora sy sasany hariva. Hira am-polony no hataon’izy ireo amin’izany raha araka ny fanazavan’i Fahombiazana Andrianamelasoa, tale jeneralin’ny mozika sy ny artistika ao amin’ny tarika. Lohalaharana amin’izany ny fihiran’izy ireo hiran’i Gilles Ramiriason anisan’ny mpanankato malaza fantatry ny rehetra ka anisan’ny omena aina mandritra izany ny ô ralila, rano an’ala, fiaran-dalamby…Ankoatra izay dia hampahafantarin’ny tarika amin’io andro io ihany koa ireo karazan-kira hotanterahiny mandritra ny seho an-tsehatra hataony amin’ny volana oktobra ho avy io izay ivon’ny fankalazana. Hanotrona azy ireo amin’io fiakarana an-tsehatra etsy amin’ny CGM Analakely io moa ny Oreo, misy ireo lehilahy sivy mampiara-peo ao anatin’ny mozika klasika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT