ENMG

Mpiofana ho mpitsara 100 nanao fianianana


  • Alakamisy 25 Janoary 2024

Mpiofana ho mpitsara miisa 100 avy ao amin'ny Sekoly ambony manomana mpitsara

sy mpiraki-draharaha na ny ENMG no nanao ny fianianany tao amin'ny Fitsarana Tampony Anosy omaly 24 janoary 2024. Nanaraka fiofanana momba ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin'ny olon-tsotra na « filière judiciaire » ny 60; Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin'ny fanjakana na « filière administrative » ny 20, ary ny Fitsarana momba ny kaontim-bolam-panjakana na « filière financière » kosa ny 20. Taorian’ny fianianana omaly, hiana-draharaha ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy Fitsarana ambony ary Fitsarana tampony mandritra ny 9 volana izy ireo. Rehefa vita izay dia hiverina any amin’ny sekoly hanohy ny fampianarana fampiharana, mialoha ny handraisany ny asany any amin’ny toerana handefasan’ny fanjakana azy. 3 volana ny faharetan’izany ary vita izay rehetra izay vao hotendrena ho mpitsara izay mahazo ny salan’isa 10/20 farafahakeliny.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

Hijery ny tohiny
FTT