Diso fanantenana ny olona satria rehefa manao fanovana governemanta dia tokony hisy dikany sy hisy lalan-tsaina hoe
: rehefa nisy zavatra tsy nety dia harenina fa ho any amin’ny fampandrosoana, hoy i Eliane Bezaza, Sekretera nasionalin’ny antoko PSD manoloana ny fanovana minisitra vitsivitsy tao anaty governemanta. Ny zavatra hitanay dia resaka seza, ary toa kiantranoantrano ihany, hoy izy. Tsy dia hisy ny tombony amin’ny vahoaka Malagasy satria minisitra efa niasa ela tamin’ny taranja iray dia ovana toerana, dia inona no dikan’izany ? Tsy dia seza no resaka eto fa fifidianana. Na inona na inona fanovana atao amin’ny governemanta na manao ahoana, dia io fifidianana io tsy maintsy mandeha. Manao izay hahavariana ny vahoaka fotsiny amin’ny fanovana seza sy ny karazany mba tsy hanaovana ny fifidianana, ka enga anie mba tsy ho izany, hoy hatrany ity mpitarika ny PSD ity. Hatramin’izao ny lalàna momba ny fifidianana tsy milamina. Nisy fangatahana nataon’ireo komity fakan-kevitra ka nanana solontena tao ny mpanao politika sy ny firaisamonim-pirenena. Ireo mpanara-maso ireo dia tokony hampiasaina amin’ny komity iraisan’ny minisitera amin’ny famolavolana ny lalàna momba ny fifidianana satria atahorana hitovy amin’ny olan’ny lalàn’ny serasera izay novatsian’ny PNUD, kanefa niova ho zavatra hafa no nivoaka tany amin’ny Antenimieram-pirenena. Raha ny lalàna momba ny fifidianana ihany koa no hatao toy izany, dia manahy aho fa hifamono ho faty isika, hoy hatrany i Eliane Bezaza.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.