Ela velona ny Ntaolo satria...

«Tsy nihinan-kena matetika, voankazo tsy naha ory…»


  • Alarobia 05 Febroary 2025

Tsy nihinan-kena matetika dia tsy nodiaviny ny «rhumatisme» na godro sy ny goty izany,

raha ny fahafantarako azy, no isan’ny naha ela velona ny Ntaolo na ireo malagasy fahiny, hoy ny fanazavàn’ny mpahaitantara, Hemerson Andrianetrazafy. Betsaka kokoa, hoy izy, ny trondro natao laoka vokatry ny jono, ny fanihina na ny ompy an-dobo. Ny fisotroana toaka dia natokana ho an’ny andro miavaka toy ny joro, soro na sorona, fandroana sy ny tahaka izany fa tsy hoe isan'andro diavina. Ireo zoky efa lasa nody sy ny sokajiny avy moa dia atao hoe Ntaolo daholo. Isika anefa tsy mba maningana toy ny vazaha fa manambatra ny iraisany amin'izay rehetra traikefa napetrany. Izay no mahatonga hoe izao sy izao no "fahendren'ny Ntaolo". Any Ambanivohitra mandrak'androany dia mbola manana fomba fivelona tahaka ny fanaon’ny Ntaolo. Talohan'ny fanjanahantany, ny taonjato faha 19 dia ny malagasy rehetra no niaina ohatran'izay. Ny raiben-draiko izao teraka tamin’ny andron'i Ranavalona II, izany hoe ny taona 1868 ary nodimandry ny taona 1968, izany hoe feno 100 taona. Mbola tratrako ny fahanterany, hoy hatrany ity mpahaitantara ity. Mino kosa aho fa vary no isan’ny tena naha ela velona ny Ntaolo, hoy ny mpahaitantara, ny Dr Denis Alexandre Lahiniriko. Ny azy koa ny voankazo tsy naha ory. Eo ny hoe sakafo mifanaraka amin’ny kolontsaina tamin’izany fotoana izany sy mifanaraka amin’ny toe batan’izy ireo. Na izany aza ny taham-pahaveloman’ny olona taloha dia azo antoka ho mihoatran’ny amin’izao fotoana izao. Ny «conditions de vie» na fahafaha-miaina toy ny kalitaon’ny rivotra sy rano na «qualité de l’air et de l’eau» sy ny kalitaon’ny zavatra hohaniny koa tsara lavitra noho ny amin’izao. Ny Ntaolo moa raha faritana tsotsotra dia hoe ireo niaina tamin’ny andron’ny vazimba. Azo tenenina hoe talohan’ny taonjato faha 16 fa mety hitarina koa hoe talohan’ny taonjato faha 18. Azo heritreretina ho anton’izay taham-pahavelomana naharitra izay koa ny hoe mafy asa ireo Ntaolo dia nazoto homana satria tsara koa ny rivotra niainana. Miankina amin’ny fahafahana ara-tsakafo na «disponibilité alimentaire» nananan’izy ireo anefa izany, hoy hatrany ny fanazavan’ity manam-pahaizana ity.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT