EGNA AMBOSITRA

Mpianatra ho zandary iray namoy ny ainy


  • Alakamisy 28 Martsa 2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

no namoy ny ainy ny talata 26 martsa 2024 maraina teo, raha ny vaovao avy any Ambositra. Mpiofana ao anatin’ny andiany faha-78 izy io no voalaza fa tratry ny tsy fahasalamana, nitarika fahafatesany. Voalaza fa nitaraina ho sempotra izy ny alatsinainy lasa teo, ka nandalo tao amin'ny Infirmerie an’ny EGNA. Ny tao indray nandefa azy tao amin'ny CHRR Ambositra, mba hatao fitiliana. Teo no nahitan'ny mpitsabo fa misy fahavoazana be ny ilany amin'ny havokavony, ka notazomina tao amin'ny CHRR Ambositra. Mieritreritra ny hanao fitiliana raboka na “tuberculose” ny mpitsabo no izao nindaosin'ny fahafatesana izao ilay mpianatra ho zandary, raha ny tatitra. Raha ny fanamarihana, dia efa nanatona ny Infirmerie teo anivon’ny EGNA izy ny 19 martsa noho ny fisiana bay teo amin’ny tongony.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT