EFITRANO MISY NY EMETTEUR-N’NY RDJ

May kilan’ny afo noho ny fiovaovan’ny tanjaky ny herinaratra


  • Talata 15 Oktobra 2024

May kilan’ny afo ny efitrano misy ny Emetteur-n’ny Radio des Jeunes na ny RDJ eny Ambohimitsimbona.

Tamin’ny Zoma 11 Oktobra lasa teo no nitrangan’izany raha araka ny vaovao azo vokatry ny fiakaran’ny herinaratry ny JIRAMA matetika teny amin’iny faritra iny. May vokatr’izany avokoa ireo karazam-pitaovana tao anatiny toy ny stabilisateur, ny onduleur, ny alimentation faisceau ary ny final emetteur. Tsy ny RDJ eto Antananarivo ihany no fantatra fa misedra olana tahaka izany fa voakasika ihany koa ny RDJ ao Antsirabe, Toamasina ary Mahajanga sy ny web radio hany sisa mandeha hoy hatrany ny vaovao. Tapaka avokoa araka izany ny fihainoan’ny mpihaino ny RDJ any amin’ireo faritra ireo. Vao ny RDJ eto Antananarivo kosa no mandeha hatramin’ny omaly Alatsinainy 14 Oktobra nanomboka tamin’ny 06 ora sy sasany maraina teo.
Pati
Legende : Kilan’ny afo tahaka izao avokoa ireo karazam-pitaovana tao amin’io efitrano io !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT