Actualités

Efa vonona ny didim-panjakana momba ny satan’ny mpanohitra,


  • Zoma 25 Jolay 2014

hoy ny minisitry ny atitany ary hampahafantarina ny besinimaro tsy ho ela izany. Tokony hahay hifanaraka anefa, hoy izy, ireo mpanohitra fa tsy hifandrirotra indray. Fanoherana ny fandaharanasa no tokony hatao fa tsy fanoherana olona, hoy hatrany ny minisitry ny atitany.

 Hitarika ny lanonana famoahana manamboninahitra ACMIL any amin’ny akademia miaramila Antsirabe anio zoma ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.

 

Mitaky ny fametraham-pialan’ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao ny sendikan’ny mpanao gazety, noho ity farany nanohintohina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.

 

Tazana amin’ny afisy peta-drindrina eny Behoririka sy ny manodidina ny fanomezana valisoa vola 50 tapitrisa ariary ho an’izay olona manam-baovao momba ny famonoana ilay Sinoa vavy maty tao anaty fiara 4X4 teny Soamanandrariny.

 

Velon-taraina ireo mpitatitra sy mpanangom-bokatra any amin’ny faritra Bongolava. Ambaran’izy ireo fa lafo loatra ny tamberim-bidy takian’ny faritra, izay 16 ariary isaky ny kilao.

 

Olona 14 voarohirohy fa tafiditra amin’ny famarotan’olona mankany Arabie Saoudite no voasambotry ny mpitandro filaminana.Vehvavy avokoa ny 11 amin’ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT